Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 23 juillet 2025
Antananarivo | 19h53
 

Répondre à un commentaire

23 juillet à 11:31 | Vohitra (#7654)

Ambohimalaza, Ambositra, Ikongo, Mahajanga, Toliara...very faty any andranomasimbe.

Aina nafoy, fisarahana mangidy, fandaozana tsy satry, nofo nandao tsy hiverina intsony...

Fikatsahana fitoniana sy fankaherezana ve ?

Sa mbola angoantenda sy fampandriana adrisa toy ny efa fahita sy mahazatra hatrany ?

Ny marina dia ny marina irery ihany, ilay marina hikatsahana ny rariny sy hanandratra ny hitsiny, izany no efa nandraisana hatry ny ela... saingy indrisy !

1- Inona no fototr’izao fahafatesana mihanaka sy nitranga izao ?
2- Iza no tompomarika sy tomponandraikitra amin’ny fahafatesana ?
3- Ahoana no endrika sy fitrangan’ny fihitaran’ny fahafatesana niseho ?

Efa iray volana mahery aty afara ve dia mbola tsy mitranga ihany ny marina ?

Fa maninona no totofana sy rakofana tsy hitranga ny marina ?

Hamokatra tantara antsehatra indray koa ve ?

Tsy adino ny hoe « ny razana eo ambohitra, ny ranomaso mijohy, nefa ianao mankalaza milanonana anaty hazavana sy feo, sanatria toa mandatsa ireo niharam-boina... »

Ho anay Malagasy, izahay saropiaro amin’ny soa notoavina, ny voin-kavana mahatratra...

Ampy izay e...efa feno izay vitanao...efa feno ny alahelo sy ratrampo...

Ampy izay !

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.