Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
65 taona ato afara, efa latsa sy eso no miantefa ampo rehefa mandrangotra mandratra ny fanontaniana mafonja hoe :
« Fa natao inona ilay fahaleovantena tao anatin’io 65 taona io ? »
Tsotra ny valiny : nentina nanaovana kilalaon’afo, hevi-petsy nifamitahana, nivoizana tokim-panompoana, namongarana ny tarazon’alahelo sy lonilony noho ny fahasamihafana, namatsiana fitaka sy nilalaovana toe-panahy, nikasana hivarotana harena hanaovana salobo-komana tsy ankizara.
Satria nahoana ?
Satria Malagasy tsy mahafantatra ny zava-kinendrin’ny Malagasy toa azy isamparitra no nitondra sy nanapaka, ary mpitondra tafasaraka sy tapa-drohy amin’ny fomba sy kolontsaina Malagasy no misy, ary mpitondra tsy voataiza sy nokoloina hitia ny Tanindrazana no misavika sy misovoka.
Indro ary ny vahaolana tokony hanefy ny saina amampanahy raha toa ka hikasa ny hanangana 65 taona vaovao hisitrahana izany fiheverana sy fisaina ary faniriana « Fahaleovantena » mitoetra tena ampon’ny Malagasy izany..