Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 11 avril 2026
Antananarivo | 12h42
 

Répondre à un commentaire

11 avril à 11:05 | Vohitra (#7654)

"TSY misy mangidy toy ny sakay fa rehefa hifanekena voatelina ihany".

Izany teny mivimbina kolontsaina ombam-pahendrena nolovaina tamin’ny Ntaolo izany no azo hamintinana ny zavamisy ankehitriny.

Ny vahoakan’i Zanahary MIHINTSY ankehitriny no lasa sakay masiaka manoloana ny fitondrana "fanovozana" izay lasa manao bodongerona midongy be marenina ankehitriny.

Ary tena "sakay tsy lanin-dimilahy" MIHINTSY ho azy ìreo.

Izy dimilahy mpitondra fanovozana no miatrika ny vahoakan’i Zanahary ankehitriny.

Hoy izy omaly tamin’ny teny feno avona ampo : " tendreko...ataoko... minisitra".

Ilay tovana hoe "-ko" dia maneho ho tompony sy mpihazona ary mandidy. Heveriny izany ankehitriny fa azy, fananany sy hanjakany ny fahefana.

Fa taiza ianao teo anelanelan’ny 25 septembre sy 12 octobre 2025 ?

Fa angaha tsy efa anjatony no naratra sy ampolony no maty vao niseho nipoitra ianao ?

Ary iza no namono sy nandratra ireo mpitolona nandeha naneho hevitra ampilaminana, moa tsy mpitandro filaminana toa anao ihany va ?

Tsy ianao izany no nitolona sy niady nanohitra ny fitondrana Rajoelina, ary TSY ianao ihany koa no nahatonga an’i Rajoelina mpangalatra sy mpamono olona nandositra vaky bao nitsoaka !

Ny ra nalatsany no natahora’i Rajoelina sy Ntsay ary Ravatomanga fa TSY ianao io velively akory !

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.