Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 1er juin 2026
Antananarivo | 14h05
 

Répondre à un commentaire

1er juin à 12:45 | Vohitra (#7654)

Mahatsikaiky sy mahazendana ny fiainam-pirenena ankehitriny...

Afapo ve ny mpanao gazety nametraka ny fanontaniana ?

Dia ny vahoakan’i Zanahary ve tsy mahatsapa fa tena voafitaka ankehitriny ?

Dia ireo mitonona ho Gen Z ve tsy mahatsiaro fa niverin-dalana ny tolona ?

Andeha ary ho fintinina fohy izay tena misongadina tamin’ny dinika sy fifanakalozana omaly :

1- tsy novaliany MIHINTSY hoe nivadika tamin’ny didy noraisiny izy ny 14 octobre 2025, ilay rafitra nambaranao fa noravanao no lazainao indray omaly fa manana ny "pouvoir régulateur"...fitaka izany Ilay kabary teo anoloan’ny lapa Ambohitsorohitra...

2- ny vola zaraina sy hivezivezena etsy sy eroa dia tsy nolazainy fa volam-bahoaka, vola avy any amin’ireo namany any Afrika any hono ireny...dia AHOANA no misy mpitondra mandray vola avy any ivelany nefa tsy lazaina ny vahoaka hoe ohatrinona sy avy aiza...dia iza no mahafantatra hoe vola madio ireny sa tsia ?

3- nambaranao fa miaramila ianao, noho izany vonona foana ny handray andraikitra amin’ny fotoana rehetra...tsy namaly nefa ianao na kandida na TSIA amin’ny fifidianana manaraka ho avy... mazava izany fa hijanona eo ianao aorian’ny 24 volana rehefa tsy mifanaraka amin’ny eritreritrao izay mitranga aorian’ny fikaonandoham-pirenena...

4- tsy namatotra ny Firenena amin’ny fitrosana vola MIHINTSY ny fitondrana tarihinao hatreto...dia inona ihany izany ireny fanaovana sonia ataon’ny ministre des finances ireny ?

5- olona fito (7) ianareo no hivory hanomboka ny fikaonandoham-pirenena ny 03 jona ho avy izao...dia aiza amin’izay ilay hoe "Firenena" sy hoe fanorenana ifotony ?

6- milaza ianao matetika omaly fa "mivavaka" no sady "mpiandry"...dia misy mpino ve sady tsy sahy milaza ny fahamarinana no sady tsy sahy mampanjaka ny mangarahara ? Maninona ianao no tsy sahy manao fanambarana fananana ho fantatry ny vahoaka ?

Menatra anao aho ry Johary a !

Afapo ve ianao ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}