Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 10 octobre 2025
Antananarivo | 19h06
 

Malagasy

Razakarimanana Ferdinand

Aza laniana andro ny vahoaka

mardi 18 mars 2008 | Naivo kely |  475 visites 

Apetraho mazava ny tena andraikitry ny fokonolona hampandrosoany ny faritra misy azy. Hatreto dia tsy hita taratra io, ka tsy ho gaga isika raha malaina mifidy ny vahoaka.

Aza laniana andro amin’io ny olona fa ny asa mivaingana no handrasan’ny vahoaka. « Mahagaga ihany, hoy ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand no nanafoanana ny faritany mizaka tena, nefa ao anatin’io ny resaka faritra. Fokonolona no fototry ny fampandrosoana, ary ilay fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana no maika. Tsy nilana fanentanana ny olona tsy handeha handrotsa-bato, nefa dia ireny iarahana mahita ireny ny havitsiany. Mbola hitompo teny fatratra ho mamim-bahoaka ve ity fitondrana ity » ?