Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Madagascar se retire de la présidence tournante de la SADC - ITV,
Mais, tout cela n’interpelle pas Ingahindriana, parce qu’il est (…)
Isandra - PLFI 2026 : une IRSA de 25% pour les revenus de plus de 4 millions d’ariary - Monsieur le Chef d’État, Mesdames et Messieurs les membres du gouvernement, (…)
Vohitra - Madagascar se retire de la présidence tournante de la SADC - ITV,
La refondation est mal parti.
C’est le camp du CAPSAT qui change, (…)
Isandra - Madagascar se retire de la présidence tournante de la SADC - Actus :
– Toamasina a été confrontée à une pénurie d’eau la semaine (…)
Isandra - Madagascar se retire de la présidence tournante de la SADC - À Paris et donc au château palais de l Élisé il y un :
« département » (…)
canal baobab 13
{#URL_PAGE{archives}}





17 septembre à 17:05 | arsonist (#10169) répond à tsimahafotsy ^
...
Je rappelle souvent ces paroles de « Nampoina » et qu’il avait réellement appliquées dans les faits :
« Ny fanjakako tsy hananako havana ».
Valiko amin’ny teny malagasy ny soratr’i arsonist mamaly an’i tsimahafotsy :
– « Nampoina » dia zanaky ny Mpanjakan’Ikaloy izay « Hova » teny Avaradrano sy Bodonandriambelomasina teo Ambohimanga. Izay no nilazany an’i Laidama fony izy hiamboho ka nitsodrano ity handimby azy hoe : « Aza adino ry Laidama fa Tsimahafotsy ialahy ... » (Tantaran’ny Andriana - Père Callet)
– « Ny fanjakako tsy hananako havana » :
Io ilay antsoiko hoe « jurisprudence Rabodolahy ».
Rabodolahy dia zanak’i Nampoina tamin’ny vadibeny Rabodonimerina, noho izany dia nihevi-tena fa tokony handimby azy.
Tsy ilay io anefa no nasain’i Nampoina notezain-dRalesoka anabaviny (io no razambenay ary ao amin’ny fasana misy azy no hisitrihana rahatrizay) ho fikarakarana ny handimby azy fa Laidama.
Dia nokasain-dRabodolahy ho vonoina Laidama, kanjo tsy nahomby fa tratra ilay teti-dratsy.
Nanontany ny hevitr’Andriamazonoro i Nampoina ny amin’ny tokony ho atao an-dRabodolahy noho izao heloka mihaopefy vitany izao (Heloka teo amin’ny fanjakana Merina ny fanonganam-panjakana - averiko fa « paradoxe » io voalaza io - resaka Nampoina sy Andrianjafy nanjaka tapany).
Hoy Andriamahazonoro : Inona no ambony indrindra ho an’ny Andriamanjaka ?
Namaly Nampoina hoe : « Ny fanjakako sy ny Ambanilanitra » dia notohizany tamin’ilay teny malaza nampatsiahivin’i arsonist ery ambony hoe « Ny fanjakako tsy hananako havana ».
Tohin’ny tantara : nasain’i Nampoina novonoina Rabodolahy na dia lahimatoany aza.
Fehiny :
Izay (m)nanongam-panjakana dia mendrika ny ho vonoina ho faty - 2009 isika io.
Kanefa raha ampiarina ilay tenin’i Nampoina hoe : « Ny fanjakako tsy hananako havana », heloka raha tsy ahongana izay manao ny tsy mety amin’ny tany ary mampahory ny Ambanilanitra.
Ny hendry sy manan-tsaina no aoka handinika.
PS : Mahita isika filazana fa tsy niteraka Ralesoka, marina izany satria tsy niteraka tamin-dRabasivalo vadiny voalohany izy.