Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 3 octobre 2025
Antananarivo | 13h55
 

Répondre à un commentaire

24 septembre à 18:31 | Isandra (#7070)

 MAMPIAKA-PEO IREO MPIVAROTRA ENY BEHORIRIKA SY PETITE VITESSE-TSY MILA KORONTANA AVELAO IZAHAY HIVAROTRA.

"Tsy ilaina ny korontana hoy ireo mpivotra eny amin’ny Tsenan’i Behoririka sy Petite vitesse. Izahay no mijaly indrindra raha misy ny hetsika izay hita fa miendrika korontana. Tsy ny fidinana an-dalambe no hamaha ny olan’ny jiro. Ity varotra ity no mba asanay ka aza simbanareo amin’izay hetsika miharo ambadika politika any.

 ANDRAVOHANGY- TSY MANAIKY NY HISIAN’NY HETSIKA MIRONA ANY AMIN’NY KORONTANA NY MPIVAROTRA.

« Tsy i Baba, tsy i Clémence no hamahana ny zanakay rehefa noana. Tsy ireo mpanao politika mitady tombontsoa amin’ny hisian’ny korontana no hampiditra vola sy sakafo ho anay. Varotra no antom-pivelomanay ka toherinay ny hetsika izay misy hevitra ambadika politika izay tsy mikendry hafa tsy korontana. Miantso ny mpitandron’ny filaminana izy ireo mba handray ny andraikitra satria ho tapaka ny fivelomana. » hoy ireo mpivarotra eny Andravoahangy.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.