Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 3 octobre 2025
Antananarivo | 13h25
 

Répondre à un commentaire

27 septembre à 13:51 | Vohitra (#7654)

Maro sy betsaka amin’ireo tomponandraikitra mizaka fahefana ary tompon’ny fanapahankevitra eto amin’ny Firenena no « kristianina » ary maneho fandraisana anjara ho isan’ny mpianakavin’ny finoana.

Na ny finoana nentindrazana na ny finoana kristianina dia samy mametraka fa sarobidy sy saropady ny « aina », ary ny fifankatiavana dia toetra omenkasina sy omenkaja, ary ny fifandirana dia tsy natao ho fihetsika voizina sy omena vahana amin’ny fifandraisana maha olombelona manam-panahy.

Raha izay no fenitra ankapobeny, moa ve ny raiamandreny ampanahy ho sahy hitazam-potsiny ny olona taizany hianoka sy hisonenika ao anaty toetra ratsy mamoafady ka hamela azy ireo manimba sy hamotika ny fiainan’ny olombelona toa azy noho ny fitiavana harena maloto sy fikatsahana voninahitra sahaza ny tsy maty manota ?

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.