Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Mba diniho ihany e...
Misaotra ireto lazaina hoe « Gen Z » aho amin’ny ezaka vitany sy fahasahiana nasehony. Isaorana ianareo.
Fa manomboka izao, vao tena hiroso anaty krizy i Madagasikara, krizy amin’ny endrika marobe.
Hipoitra daholo ny hadalana sy hadisoana ary fahapotehana noentin’ny fitondrana Foza volomboasary, ary korontana sy sedra mafy no ho lalovan’ny Firenena manomboka eto, tsy maintsy misy izany.
Ireo lasa mpanankarena tampoka tsy maintsy hamboly korontana sy hivoy ny faha samihafana eo amin’ny fiarahamonina Malagasy.
Io fandrobana mitranga Io dia mifono sahady Io fambolena korontana tiana hovoizina eto amin’ny Firenena io. Omaly alina dia efa tonga hatrany amin’ny fandrobana fiangonana ny hetsika mamoafady.
Ilaina ho vonona ny Malagasy fa manomboka izao, dia hiseho indray ilay fanakorontanana manandratra ny faha samihafana : foko, karazana, saranga, fihariana, finoana, firehana politika, fahalalana, taona, fitaizana, fomba sy kolontsaina.
Manomboka eto, dia hiseho indray ny paikady maloto efa mahazatra ny politika frantsay dia ny hoe « zarazarao hanjakana ».
Ary aza adino fa ny mpitandro filaminana Malagasy dia nandray fiofanana frantsay, ary na ny fitafiana sy fanamiana hisalorany aza dia natao mitovy amin’ny an’ny frantsay...
Tandremo, tandremo, ary fadio sao dia misy mipoitra tampoka eo indray ny « Jeneraly Ramanantsoa vaovao » izay nentina namingana ny tolona manampototra fahiny.
Tandremo, tandremo, tandremo, aza avela hisovoka sy hiditra ho vahaolana ny hery vahiny...
Tandremo, tandremo, tandremo, ny vola afafin’ny tsy maty manota !