Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 3 octobre 2025
Antananarivo | 13h55
 

Répondre à un commentaire

28 septembre à 18:56 | Rakoto (#5814)

Miarahaba antsika rehetra,
Aleo ataoko teny gasy mba hazava tsara amin’ny be sy ny maro. Ny tena olana eto amin’ny firenena dia tsy misy mpanao politika tena mahay sy efa nandiha dingana maro teo amin’ny rafitra politika tamin’ny ambaratonga maro no miakatra ho filoha fa olona tsy misy ainy momba ny politika no tongo filoha dia manao izay fantany sy tiany fotsiny, tsy mitondra ny firenena mankany amin’ny lalana tokony alehany. Raha jerena ohatra izao fanjakana izao (io aloha no eo dia io no lazaiko) manenjika foto-drafitrasa no hatao dia lasa any daholo ny vola tokony hanaovana zavatra tena hilainy, ny fotodrafitrasa anie tsy voatery ny fanjakana no hanenjika sy hanao izany eh fa drafitra politika no hapetrany dia rehefa mazava ny rafitra ka hatokisan’ny investisseurs na vahiny io na eto antoerana dia izy no manao izany ary telepherique iray no vita amin’izany fa na 10 na zato rehefa azony antoka ny politika anao dia tonga izy, toy izay koa ny autoroute jereo fa any Frantsa ary izao tsy zakan’ny fanjakana intsony manao izany di any privé no manao izany, toy izany koa ny trano mora ny privé no tokony hanao izany fa tsy tokony lany Andro amin’izany ny fanjakana indrindra moa fa ny filoha. Fa ny tena andraikitry ny filoha dia mametraka ny politika mazava na ara-ékonomia na ara-socialy na ara-politika nae to antoerana na any ivelany, misy plan mazava daholo izany. Dia io ohatra lany amin’ny tsy tokony ho hahalany azy ny vola dia ny tena hilana azy lasa mandefitra dia izao no vokany mijaly ny vahoaka, manao herisetra sy ny sisa ny fitondrana mba hijanonany eo amin’ny fitondrana. Mila fanovana lalina izany ary tsy sanatria hoe manohana an’itsy na iroa fa tokony olona vaovao mihintsy no hitondra izany fanovana izany ary tokony tanora manampahaizana hafaka mifehy izany raha tsy izany dia ny eo ihany ny eo. Lasa resaka fifandimbiasan’ireo izay efa teo foana io dia lasa resaka fifanaovana valifaty no masaka ao andoha sy hatao dia isika vahoaka foana no toy izao foana mbola hiletika lalina noho izao aza. Ka hoy aho amin’ireto tanora tohizo raiso ny andraikitra aza mety japin’ny andaniny na ny ankilany fa ny tanjona dia tokana ihany FIOVANA HATRAMIN’NY FAKANY HO TOMBOTSOA NY FIRENENA SY NY TARANAKA. MAHEREZA DIA TAHIN’ANDRIAMANITRA.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.