Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 octobre 2025
Antananarivo | 07h08
 

Répondre à un commentaire

4 octobre à 12:54 | reviv (#9830)

Dia mbola inona indray no andrasanao ?
Mbola tsy hitanao ve fa sahirana dia sahirana mafy tokoa ny vahoaka malagasy ary latsaka ambany dia ambany indrindra ny firenena.
Iza koa no tsy mahalala sy mahafantatra fa i madagasikara dia tany farany izay mandady amin’ny fahantrana eto amin’izao tontolo izao.
Nefa indrisy, tany manan- karena isan- karazany i madagasikara.
Efa lazaina sy hita maso be izao fa potika ny firenena izay tantananareo hatr’izay ka hatr’izao
nandritra ny enin’ambifolo taona.
Satria nahoana ! satria ratsy tantana, kolikoly daholo, manomboka any amin’ny lohany ka hatramin’ny ratsa-tongotrany.
Nopetehan’ireo mitondra isakarazany reo ny harem-pirenena rehetra sy ny sehatra famokarana.
Lainga sy fitaka ny vahoaka malagasy no tanjona napetrak’ireo mitondra ny firenena, fitiavan-tena diso tafahoatra.
sy ny sisa...etsetra etsetra...
Jereo tsara ny an’i firenena marokana, ampitahao ny harena sy ny fivoarana n’ireo firena roa tonta.
De ianao no mamaly azy.
Izany rehetra izany no nahatonga an’ireo Gen-Z sy ny vahoaka rehetra voa tsindry tsy hanaiky lembenana mandr’izay.
Izany rehetra izany no itakian’ny vahoaka malagasy hametrahan’i filou Andry Rajoelina fialana amin’io toerana efa tsy sahaza azy sy tsy hainy io.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.