Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Répondre à un commentaire
Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
Hiran-dry Raoul Tarika Mahaleo :
Mianara miaina
Fa maninona ary enao no mangina tsy miteny
Nefa vokatry ny atao ireny fijaliana ireny
Sy ireo zavatra miseho mandrebireby fanahy
Mampisandratra ny feo ho sahisahy
Nahoana no avelanao hisoko mangina
Hameno ny ati-dohanao ny hakivina
Na izaho na ianao migoka rano tsy tiana
Mila zava-baovao mitondra hafaliana
Mianara miaina mianara misaina enao
Mila karakaraina ny ampitso maraina vaovao
Aza mety ho terena na manaiky hosena
Fa sahia mitraka refa tena tsy zaka
Mianara miaina mianara misaina enao
Tsisy te hiala maina tsisy te hitaintaina
Fa samia misaina raha izany no ilaina
Fa inona ary moa ianao ny zavatra mitranga
Na izao na ianao miandrandra lanitra ho manga
Ra hazavana tsy hita fa manangasanga
Variana mifandritarita mamely diamanga
Dia io fa drodroky ny fiainana mavesatra babena
Izay tsy maintsy hieretana ka sorisorena
Ra valala be mandry tsy tafandry itsony
Efa sasatry ny miandry efa mivaralila ny fony
Hasakasakareo izay mitondra ny tany
Izay teneninareo tanteraho avy hatrany
Ny asa vitanareo tsy maintsy hisy hanontany
Mametraha tantara ho an’ny dimby sy fara
Hasakasakareo no finidim-bahoaka
Matatesa tsikera refa tsy misy hapoaka
Fahendrena ny miala refa tsy tafavoaka
Aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka (3)
Raoul