Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 13 juillet 2026
Antananarivo | 12h05
 

Répondre à un commentaire

13 juillet à 11:01 | Vohitra (#7654)

Fisavana tsy manaraka lalàna, fandrobana sy halatra ankitsirano, herisetra amin’ny fananan’olonkafa, izany raha fehezina amin’ny teny tsotra ity tranga iray ity.

Asanjiolahy sy raharahan’ny tontakely tsotra izao tsy misy fangarony.

Ny tena zava-doza sy atambo, ary tena fihetsika mamohehitra mihintsy, dia ny fisian’ireo mpitandro filaminana nandray anjara nanatanteraka mivantana ny fandrobana sy halatra.

Ny hasimpanjakana sy ny hasimpirenena mihintsy no voaota tanteraka.

Ilay hoe tany sy Firenena tan-dalana mihintsy no nasiana maloto sy noverezin-kasina tanteraka.

Mifampitohy sy mifandray tanteraka amin’ny tsy fahasahiana sy tsy fandraisana andraikitra ataon’ny fahefam-pitondrana mijoro manoloana ireo mpitandro filaminana namono vahoaka ampolony maro sy nandratra anjatony nandritry ny tolom-panafahana ny taona 2025 izao tranga izao.

Nahoana moa no tsy natolotra ny fitsarana Malagasy ireo mpitandro filaminana mpamono olona tamin’ny 2025 ireo ?

Raha nandray baiko ve ireo mpitandro ireo dia voatery izy ireo hanatanteraka ny baiko famonoana vahoaka ?

Ny marina, dia noho ny fitiavana vola maloto sy harena maloto dia notanterahana ny baiko, dia novonoina sy naripaka ny vahoaka nandritry ny tolom-panafahana natao.

Tsy fitiavana ny Tanindrazana sy fihetsika tsy valahara izao mitranga izao.

Dia izao hezahana kobonina sy afenina ny raharaha ankehitriny.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}