Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 13 novembre 2026
Antananarivo | 10h53
 

Répondre à un commentaire

13 novembre à 09:30 | Vohitra (#7654)

Indrisy tokoa mantsy...

Tamin’ny fahatairana sy alahelo no nahitana sy nandraisana ny teny nataon’ny Filohan’ny FFKM omaly rehefa avy nihaona tamin’ireo vahininy tao...

Hoy mantsy izy omaly : "mety TSY ho tontosa eo anelanelan’ny volana may sy jona 2027 ny dinika fikaonan-dohampirenena.!". Noho ny vanimpotoana fahavaratra sy ny fahasarotana amin’ny fifamezivezena hoy izy nanohy...

Fahadisoam-panantenana raha izany nambaran’ity Filohan’ny FFKM ity izany no tanteraka !

Izany hoe ho tanterahana TSY MIAINGA avy amin’ny vokatry ny fikaonan-dohampirenena izany ny referendum na koa "election constitutionnelle" !

Ny dinika politika nataon’ny fanovozana sy izay resaka nataon’ny FFKM tany ambadika tany izany no alefa eo anivon’ny goverinemanta, ary ny goverinemanta indray no hanolotra volavola lalàna aroso holanian’ny Antenimierampirenena, dia izay lalàna navoakan’ny Antenimierampirenena eo no entina aroso amin’ny referendum, na ny vontoatiny io na ny rijanteny ho fampandaniana azy !

Fitaka sy famitaham-bahoaka ankitsirano tanteraka izany. Izay izany ilay kajy politika tsy nandravana sy tsy nandrodanana ny Antenimierampirenena, ary nanomezana vahana ny VFM ankehitriny io hita maso ankarihary io !

Vao mbola tsy mandeha akory ilay fanorenana ifotony dia efa fitaka sahady no mandeha.

Ary ny tena mampalahelo dia miray tsikombakomba amin’ny fitaka ny FFKM ankehitriny !

Loza, tena loza ity mitranga !

Matimaty foana ireo 28 nanolotra ny ainy mba hisian’ny fiovana sy fanovana eto amin’ny Firenena !

Mifohaza ry Malagasy, sahia mitsipaka ny fitaka aroso eo anoloanao ankehitriny !

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}