Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 22 juillet 2026
Antananarivo | 11h53
 

Répondre à un commentaire

22 juillet à 09:53 | Vohitra (#7654)

Ny vahaolana maharitra sy mitombina, dia izay efa narosonay teto ny 28 jona 2026 mikasika ny fizakantena isamparitra ao anatin’ny Repobilika Federaly ihany sisa...

Ny Faritra tsirairay dia manana otrikarena daholo hahafahana manome fahafahampo ny filana herinaratra isamparitra :

Ao ny Faritra misy herin’ny masoandro ampy mandavataona, ao ny Faritra manana riandrano madinika azo hanaovana tohadrano madinika hamokatra herinaratra, ao ny Faritra manana harena ambanin’ny tany azo havadika ho loharano mamokatra herinaratra...

Ny Faritra tsirairay no mandray andraikitra mandray antanana ny famokarana herinaratra, mandeha miandalana ny famindrana ny fotodrafitrasa misy miainga avy eo amin’ny Jirama Foibe ho any amin’ny rafitra isamparitra tsirairay...

Sady hamokatra no hizara ary koa ho afaka hivarotra herinaratra amin’ny Faritra hafa ny Faritra sasany...

Ho foana sy ho very hanjavona miandalana ny ampihimamba ataon’ireo voaibe ireo, anjaran’ny Faritra tsirairay no miainga amin’ny fanorenana vaovao ifotony tsy misy voaibe intsony...

Fa ankehitriny kosa, dia ny fikaonan-dohampirenena dia ho afaka hanery ny fitondram-pahefana mijoro mba hanao fanadihadiana mivantana mikasika ny fototry ny trosa be baben’ny Jirama sy ny làlana nandehanan’ny volambahoaka natobaka tao amin’ny Jirama...

Adidin’ny fitondram-pahefana mijoro ihany koa ny manala sy manaisotra ny hery vahiny mivimbina voaibe hihinana ny tetikasa Sahofika sy Volobe ary hanabotry ny Firenena Malagasy...

Rafitra efa voafehy sy madio no hampitaina ho any amin’ny Faritra tsirairay rahampitso vokatry ny fikaonan-dohampirenena atao...

Ampy izay ny fanjakana Foibe lasa mamokatra tsy maty manota sy mampibaby trosa ny Firenena amin’ny tombontsoa manokana, ampy izay ny Filohampirenena lasa mpanjakabe mampiditra kizo sy atambo ny Firenena...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}