Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 17 août 2026
Antananarivo | 11h35
 

Répondre à un commentaire

17 août à 09:54 | Vohitra (#7654)

Fa nahoana moa no :

* any ampitan-dranomasina manoloana ny vahiny no hanaovana izany fanambarana izany voalohany fa tsy eo anoloan’ny ambanilanitra mpiray tanindrazana ?

* tondrozotra novolavolain’ny fahefam-pitondrana miaramila samirery no mamaritra ny zotra ho an’ny fikaonan-dohampirenena ?

Any amin’ny sehatra iraisampirenena ianao no miresaka satria efa manaiky ny fahefam-pitondrana entinao ny sehatra iraisampirenena, ary ianao rahateo indray alahady hariva teo amin’ny fahitalavitra no efa nilaza fa, misy vahiny avy any ampitan-dranomasina any manome vola anao !

Izany hoe : ny zava-dehibe aminao, satria efa eo aminao ny fahefana, dia ny fankatoavana sy ny vola avy amin’ny hery vahiny.

Tsy zava-dehibe aminao intsony mihintsy ny ra latsaka marobe vokatry ny fitakiana ny rariny sy ny hitsiny ara-piarahamonina Malagasy, ary fitakiana izay heverina hikatsahana vahaolana mandritry ny fikaonan-dohampirenena.

Izao aza moa mbola tsy ao anaty fampielezankevitra akory dia efa sahy mizara vola etsy sy eroa ianareo (ohatra akaiky : Fikambanana apokalipsy, vahao ny oloko, zaikabe vehivavy loterana...), maika moa fa rehefa tonga ve ny fifidianana tsy ianao io no ho lohany amin’ny fividianana safidy sy fanangolena amin’ny herin’ny vola ?

Ankehitriny, efa andro maro maro sahady izao no nijojo ny orambe eto amin’ny Faritra maro, betsaka indray no tena sahirana sahady amin’ny fifamoivoizana sy fivezivezena nefa dia mbola ary amin’ny volana aogositra isika, tsy ho ela ny fahavaratra, ahoana no hahatontosa ara-drariny ny fikaonan-dohampirenena nefa ny sakana voajanahary sahady no efa mitranga ?

Fony maintany, tsy miroso akory ny fikaonan-dohampirenena fa satrinao sy tianao mivezivezy any ampita mitafa amin’ny vahiny...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.