Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 octobre 2025
Antananarivo | 23h12
 

Malagasy

Caisse d’Epargne

Tompony makataka ny atiny ny mpanjifa

vendredi 25 juillet 2008 | Naivo kely |  373 visites 

Kivy ny mpametraka vola ao amin’ny caisse d’epargne omaly raha nahita ny fitokonana nataon’ny mpiasa. Fitokonana izao tao anatin’ny fotoana fohy ny nilazana izany. Tsy hidiran’ny mpametra-bola ao izay olana anatin’izy mianankavy, fa maro ireo saika haka vola no tsy afaka nanao izany.

Vehivahy saika haka ny vola noho ny aretin-janany izay ilaina vola hividianana fanafody no nitaraina, sy latsa-dranomaso omaly, fa tsy hametraka ny volany any amin’itony sehatra itony intsony izy. Natao hanirina no vao maika nampivandravandra hoy izy, niverina nody tamin’alahelo. Maro tamin’ireo mpiasa sendra ny mpanao gazety no maniry ny mbola hitohizan’izao fitokonana izao. Hatraiza ny fanomezana lanja ny mpanjifa raha izao no mitohy ? Tompony mangataka ny atiny ny vahoaka, ary raha mitohy izao, dia ho faty tsikelikely ity caisse d’epargne ity.