Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 12 septembre 2026
Antananarivo | 10h34
 

Répondre à un commentaire

12 septembre à 09:49 | Vohitra (#7654)

Mankasitraka hatrany Andy.

Io soratra be mivandravandra nosorotanao io izao anio dia efa misy indray ny "masobe mody tsy mahita ary mody fanina"...

Toy ireo tsy valahara tsy nisy nahita ny fandosirany nandositra nivoaka an’i Madagasikara ary tsy nisy nahafantatra hoe efa lasa tafatsoaka...nefa fotoana vitsy ato afara, voalaza sy nisy nilaza ny toerana niaingany sy ny fomba nentiny nandosirana niala teto !

Toy ny fonjam-bolamena voatahiry tao anaty vata teo amin’ny minisitera iray, ny fisian’ny volamena tao anaty vata nisy masobe nahita, fa rehefa nivadika ho fonjamby sy korontamby ilay fonjam-bolamena tao anaty vata, tsy nisy nahita ny masobe !

Dia inona no azo lazaina sy hambara amin’izany tranga rehetra izany ?

Feno sy rakotra tontakely sy jiolahy ao anaty fahefam-pitondrana misy mifandimby.

Lasa masobe tsy mahita satria matahotra ny ho faty, matahotra satria tsy mifampahatoky hoe iza no mpiray tsikombakomba eo akaiky eo, matahotra satria mahalala fa efa samy jiolahy sy tsy vanona daholo no tafiditra ao anatin’ny raharaha hitan’ilay masobe tsy nahita nefa nijery !

Farany, ohatra tena tsotra no lazaiko : Firifiry moa ireo mpiasampanjakana no lasa mpanankarena sy mpanefoefo tampoka be, samy mahita izany daholo ny rehetra fa raha ny karama omena ireo mpiasampanjakana ireo dia tsy hahavidy sy tsy hahavory ireo harena miavosa ireo mandra-pahafatiny akory izy ?

Fehiny : feno tsy maty manota sy tsy valahara ny raharaham-bahoaka eto amin’ny Firenena ankehitriny. Tsy ady amin’ny kolikoly fotsiny no tokony atao eto fa tena ilaina ny "ady amin’ny tsy maty manota".

Inona no olana raha fonjaina asa anterivozona ireo 150.000 - 200.000 tsy maty manota ary giazana tanteraka tsy misy indrafo ny fananan’izy ireo rehetra ?

Iza no sahy hanao sy handray andraikitra amin’izany ? Ary tsarovy fa nifandovana amin’ny taranaka mihintsy ny ho tsy maty manota eto Madagasikara.

Olombanona sy olombaovao, vanona sahy ary vonona, tsy liankarena ary tia tanindrazana...

Mankasitraka e !

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}